Festa dei Popoli – Roma

Anno: 
2016

 

Efa 9 taona izao no nandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fankalazana ity Festa dei Popoli ity. Maro ny sampana sy fikambanana mazoto mandray anjara ka dia mifandimby avokoa manao izany sy mandoha ny hetra kely rehefa maka ny trano eva. Noho ny fizarana andraikitra isan-taona dia anjaran'ny fikambanana Tetezana onlus izany tamin'ity ka dia am-pifaliana no nanaovana izany. Tamin'ny 7.30 maraina no nanomboka nanamboatra ny stand ireo mpiara-miasa. Tonga nanampy ihany kosa moa avy eo ireo malagasy hafa nanana zavatra naseho tao ihany koa. 

Nahafinaritra tokoa ny tontolo andro na dia indro kely aza fa tsy mba afaka nandihy ireo malagasy nisolon-tena satria avy ny orana.
Manetsa be mbola ho avy ka dia vonona hatrany amin'ny taona manaraka.
Misaotra o

Immagine: